RSE-IDD andiany fahasivy: hamafisina ny fandraisan’andraikitra

Mbola vitsy ny orinasa manome lanja ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE) amin’ny tokony ho izy eto Madagasikara. « Mazana ataon’olona fanararaotra izany hanaovana zavatra hafa na koa manao hetsika tsotra hialana amin’ny adidy izay tokony hosahanina amin’ny fanajana ny lalàna sy ny tontolo iainana », hoy ny tale jeneralin’ny Innoveo, Rabefitiavana Ulrichia, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika momba ny andraikitra sosialin’ny orinasa (RSE) sy ny tetikasam-pampandrosoana lovainjafy (IDD) [Salon RSE-IDD] andiany fahasivy, izay hotontosaina ny faha-11 sy 12 jolay 2024 izao, ao amin’ny Novotel Antananarivo. Betsaka, araka izany, ny lesoka sy ireo tokony hamafisina hanatanterahin’ny orinasa ny kolontsaina RSE. Noho izany, vonona hiara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny RSE ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Hivoaka tsy ho ela ihany koa ny politikam-panjakana mankany amin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy ho an’ny tontolo iainana. Ankoatra izay, tokony hojerena ny fomba hanampiana ny orinasa hanaraka ny lalàna sy hanatsarana ny asany. Marihina fa antoko mandrindra ny fiarahamonina anatina orinasa ny RSE.

Henintsoa Hani

Partager sur: