SEforALL : fisarihana ny mpampiasa vola amin’ny angovo madio

Hamafisina ny fampiasam-bolan’ny tsy miankina amin’ny sehatry ny angovo. Tanjon’ny governemanta malagasy ny hampitomboana avo roa heny ny fahazoana angovo madio.

Natao, omaly, teto An­tana­narivo, ny atrikasa nokarakarain’ny Sus­tai­na­ble Energy for All (SEfor ALL), iarahana amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). Tanjona voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny hampiakarana avo roa heny ny tahan’ny fahazoana herinaratra avy amin’ny angovo madio eto amintsika. Misy ny drafitrasa iombonan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka (PTF) ary ny sehatra tsy miankina (3P).
Mifantoka amin’ny sehatra telo ny Drafitrasan’ny angovo iombonana (PEI) eto Mada­gasikara, narafitry ny SEfor ALL sy ny fanjakana malagasy. Ny fampidirana herinaratra, ny fampiasana angovo madio ho fandrahoan-tsakafo ary ho an’ny lafiny fitsaboana sy ny fambolena.
Nilaza ny minisitry ny Angovo (MEH), Jean Baptiste Olivier, fa matanjaka ity PEI ity, hanatrarana ny tanjona napetraka amin’ny lafiny angovo. Mifanandrify amin’ny tanjon’ny Fampandrosoana maharitra, ODD faha-7, sady manamarina ny fahombiazan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena hahazoan’ny rehetra angovo (UEF), iarahana amin’ny tsy miankina.
Toeram-pitsaboana miisa 2 300
Mitantana ny vola angonina ao amin’ny UEF ny SEfor ALL, nanomboka ny taona 2020. Miisa 30 ny fifanarahana vita, iarahana amin’ny orinasa efatra. Mahatratra 12 400 ny famatsiana herinaratra avy amin’ny masoandro natao any ambanivohitra, tokantrano, sekoly, tobim-pahasalamana. Nilaza ny talen’ny UEF fa anisan’ny firenena sangany misitraka ny UEF i Mada­gasikara, satria hita ny finiavana nasehon’ny governemanta, amin’ ny famatsiana herinaratra any amin’ny toerana lavitra.
Miisa 2 300 ny tobim-pahasalamana hahazo herinaratra hatramin’ny taona 2030. Mitentina 83 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ilaina amin’izany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: