Tetikasa Rindra : nampiofana amin’ny fifindran-toerana

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana mifindra toerana eto amin’ny faritra Analamanga, ao anatin’ny tetikasa “Rindra”. Tohanan’ny USAID sy ny Pnud ity tetikasa ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa. “Zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantanana ifotony amin’ny tamberin’andraikitra, ny fa­hombiazana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny olom-pirenena”, hoy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana nisolo tena ny minisitra.
Hiompana amin’ny fitantanana tetikasa, fitantanana mifototra amin’ny vokatra ny fampiofanana ary haharitra hatramin’ny zoma ho avy izao izany. Tanjona ny hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eto amin’ny faritra Analamanga.
Ahafahana mametraka ny olona amin’izay asa tokony ho sahaza azy koa ny fampiofanana, raha ny tanjona tamin’ny fanavaozana ny fitantanana ny maha olona eo anivon’ny asam-panjakana, izay nosantarina ny volana janoary lasa teo. Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa “Rindra” izay fandaharanasan’ny fanjakana malagasy, vatsian’ny USAID vola ary ny Pnud no manatanteraka ny fampiofanana.

Vonjy

Partager sur: