Nahemotra ho an’ny rahampitso maraina indray ny fanolorana ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha fisolokiana momba ny Box Miami. Niampy telo indray ireo olona nametraka fitoriana tamin’ity raharaha ity ka anton’ny nanemorana ny fanolorana eo anivon’ny fampanoavana ireo olona voasaringotra.
Tafaverin’ny polisy amin’ny tompony avokoa ireo omby valo nangalarin’ny dahalo tao Tsiroanomandidy, ny 1 jolay teo. Nalain’ny olon-dratsy tao amin’ny fokontany Amparihibe ireo omby ireo ka nanaovana fanarahan-dia. Nanampy ny mpitandro filaminana ny fokonolona.