VAOVAO TAMBATRA

Ratsy avokoa ny 2/3 amin’ireo lalana ambanivohitra, mirefy 21 000km, eto Madagasikara ary ny 11,4% monja no azo hidirana. Sakana ho an’ny fampandrosoana eny ambanivohitra ny tsy fisiana fotodrafitrasa enti-mamokatra, indrindra ny haratsian’ny lalana. Mila apetraka ireo paikady samihafa hampaharitra ny lalana any amin’ireny toerana ireny.
Mitentina 756 996,5 dolara ireo lojy fotsy mainty maso, milanja 1 350 taonina naondrana any ivelany nandritra ny fisokafan’ny taom-panondranana ho an’ny faritra Boeny. Sambo roa, an’ny kaompaniam-pitaterana an-dranomasina MSC no nitondra ireo andiam-bokatra voalohany naondrana ny alahady teo. Harahi-maso tanteraka ny kalitaon’ireo lojy aondrana.
Nohavaozina sy nohatsaraina ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ireo mpandeha eo am-piandrasana ny sidina horaisiny. Nilaza ireo tomponandraikitra fa mbola hisy ny vokatra vaovao hoentina hanatsarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena.
Nisokatra tanteraka nanomboka omaly ny lalam-pirenena fahenina (RN6) rehefa tapaka vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Efa misokatra ihany koa ny fivilian-dalana ao Mahavavy Ambilobe ka azo hifamezivezen’ny fiara rehetra ny lalana mandritra ny alina, raha hikatona kosa izany ny atoandro ho fanohizana ny asa mbola tsy vita.

Partager sur: