Anatin’ny fotoam-pitondrana faharoa an’ny filoha Rajoelina tanteraka isika izao. Hiditra amin’ny dingana manaraka, dia ny asa amin’izay. Azo lazaina fa efa mihodina ny lamasinina amin’ny fanatanterahana ny iraka isam-paritra izay nilokalokana tamin’ny fampielezan-kevitra. Porofon’ireny, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny delegasiona notarihiny, nizaha ny fanamboarana ilay lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.
Efa feno rahateo ny ekipa any amin’ny lohalaharana. Miandry ny fotoam-pivoriana sisa ny depiote dia manomboka ny adidiny. Efa hita nanara-dia ny Filohan’ny Repoblika rahateo, omaly, ny ankamaroan’izy ireny. Tsy ny avy amin’ny antokon’ny fitondrana ihany, fa na ireo avy amin’ny tsy miankina aza. Taon-trano tsy efan’ny irery rahateo ny fampandrosoana ny firenena ka tsy vita raha tsy hifanankonana. Ny Malagasy rehetra miaraka no ho fahombiazana.
Andrasana amin’ny herinandro ambony ny fametrahana ny governemanta vaovao, indrindra izay hiara-kitarika ny mpanatanteraka amin’ny Filohan’ny Repoblika. Ny Praiminisitra rahateo no hiaraka hitan-tsoroka amin’ny famitana ny vina sy ny fandaharanasa nifanekena tamin’ny vahoaka. Tompon’antoka feno amin’ny fandrosoan’i Madagasikara izy ireo. Tsy afaka ny hitsoaka andraikitra raha sanatria misy ny lesoka.
Midika izany fa tokony ho olona afaka ny hifanara-tsaina sy mitovy tadin-dokanga amin’ny Filoham-pirenena ny ho lehiben’ny governemanta eo. Tsy sanatrian’ny vava ho volo mpanoha-randrana. Miankina amin’izay no hahafaingana ny asam-pampandrosoana. Asa hisy ny fitohizan’ny raharaham-panjakana? Izay rahateo no fositra teto Madagasikara. Maika ny manova olona, fa tsy manova fomba fiasa ho amin’ny tsaratsara kokoa. Mila olona vonona hanompo ny taninjanaka!
r.r