Antenimierampirenena: 15% ny mpikambana no vehivavy

Miisa 25 ny vehivavy nahazo ny toerana maha solombavambahoaka, nandritra ny fifidianana farany teo. Araka izany, 25 amin’ny 163. Ny enina amin’ireo 25 ireo no efa nitana ny andraikitra maha solombavambahoaka azy. Mbola ezaka mafy, araka izany, no hatao hanatrarana ny miralenta, izay eritreretina hapetraka eo anivon’ny Ante­nimierampirenena. Distrika 58 amin’ny 120 no nahitana kandidà vehivavy ary niisa 80 amin’ny 473 ny vehivavy nandray anjara tamin’ny fifidianana ,tamin’ity taona 2024 ity. Isa izay nilatsaka raha oharina tamin’ny taona 2019.

Taorian’ny taona 2013, izay nanaovan’i Madagasikara sonia ny «Fifanarahan’ny Sadc», mahakasika ny miralenta eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nisy ny fanentanana sy fampahafantarana nataon’ny fitondram-panjakana tamin’izany andro izany. Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka, taona 2019. Tafakatra 113 amin’ny 810 ny vehivavy nirotsaka hofidina voarakitra, noho izay fanentanana sy fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy izay.
Anisan’ny tolo-kevitra na­taon’ireo mpanara-maso iraisam-pirenena, nandritra ny tatitra nataony momba ny fizotran’ny fifidianana ny fampirisihana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy sy ny tanora ao anatin’ny fifidianana. Mbola tena ambany ny tahan’ny vehivavy ao anatin’ny fitantanana sy fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

Lin

Partager sur: