Atletisma : tafita hiatrika ny lalao Olympika i Sidonie

Anisan’ireo atleta tafita ary hiatrika ny lalao Olympika tanterahina any Paris France, i Sidonie Fiadanantsoa, mpihazakazaka amin’ny halavirana 100 m misy fefy. Ny laharana tsara misy azy eo amin’ny Federasiona iraisam-pirenena “world athletics” no nahatafakatra azy amin’izany.
Raha tsiahivina, laharana faha-37 maneran-tany ny tovovavy ary manana isa 1 245. Hanatevin-daharana ny delegasiona malagasy hiatrika ity fihaonambe maneran-tany ity izany i Sidonie Fiadanantsoa. Tsara marihina fa vao avy nandrombaka ny medaly alimo nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natao tany Douala Cameroun, ny volana jona lasa teo ny tenany. Efa nahazo ny medaly volamena ihany koa izy nandritra ny Lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay natao tany RD Congo, ny taona 2023. Atleta miofana any amin’ny ivontoerana any Dakar Senegal, i Sidonie.

5 izany ny isan’ny Malagasy atleta hiatrika ny lalao Olympika: Rakotoarimanana Fabio eo amin’ny taranja ping-pong, Rasoanaivo Laura ho an’ny judo. Eo koa Randafiarison Rosina ho an’ny fibatana fonjamby ary i Holy Antsa eo amin’ny lomano.

Tompondaka

Partager sur: