Baolina kitra – Copa America: hidona amin’i Bresil sy i Uruguay

Tapitra omaly ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny kaontinantan’i Amerika, taranja baolina kitra, “Copa America”. Fihaonana tanterahina any Etazonia. Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo ekipa 8 tafita hiatrika ny dingana ampahefa-dalana. Nahazo ny tapakila farany, ny seleçaon’i Bresil sy i Co­lom­bie, ho an’ny vondrona “D”.
Anisan’ny lalao andrasan’ ny maro, eo amin’ity ampahefa-dalana ity, ny fifanandri­nan’i Bresil sy i Uruguay. Ra­ha ny antontanisa teo amin’ny fifanandrinan’ny ekipa roa tonta mivantana aloha no lazaina efa imbalo nikatroka ny roa tonta ka 6 fandresena ho an’i Bresil, 1 ady sahala ary indray mandeha ihany ny hany nandresy an-dry zareo brezilianina i Uruguay, dia ny tamin’ny taona 2023, nandritra ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”, ho an’ny faritra Amerika Atsimo. 2 no ho 0 ny isa nisarahan’ny roa tonta tamin’izany. Ity izany ny tsotsorimamba isarahana. Hatao ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianja Alegiant Stadium, ny fihaonan’ny roa tonta.

Hisantatra ny fihaonana amin’ity ampahefa-dalana amin’ny “Copa America” ity, rahampitso ny fifandonan’i Argentine sy i Equateur. Ny sabotsy kosa i Canada sy i Venezuela ary ny alahady ny an’i Colombie sy i Panama.

Tompondaka

Partager sur: