Depiote « malety »

 

Nahoraka ny fanambarana nataon’ny solombavambahoaka, voafidy tamin’ny lisitry ny tsy miankina, izay miisa 51. Nirona any amin’ny fanohanana ny fitondrana sy ny filohan’ny repoblika am-periansa izy ireo. Tsy mahagaga izany, satria saika ireo olona mpanohana, tsy nahazo ny taratasy fahazoan-dalàna ho fidiana ihany izy ireny. Misy no nalefa handravana ny paikadin’ny mpifanadrina. Misy ny netin-kambo nianto-tena hanaporofoana ny maha mamim-bahoaka azy.
Andaniny, mampametra-panontaniana ny resaka etika manokana sy ny etika politika. Sanatrian’ny vava, nivadi-belirano sahady tamin’ny vahoaka mpifidy. Ireto farany izay nirona nankany amin’izy ireo, fa tsy nanohana ny kandidam-panjakana. Misy dikany lehibe izany fa tsy azo tsinontsinoavina. Raha samy hanohana olon’ny fitondrana tsy aleo, naka ny Irmar avy hatrany ?
Ankilany, mibaribary ny fikatsahana tombontsoa manokana. Tsy misy fijerena ny tombontsoam-bahoaka izany. Efa miseho tsikelikely ny depiote « malety » sy ny ady varotra isan-karazany amin’ny seza ao Tsimbazaza. Tsy takona afenina ny ady sisika amin’ny fametrahana ny mpikambana amin’ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera. Ankoatra ny fanendrena avy eny an-dapa, mandeha ny serasera avy aty amin’ireo vao lany.
Ankoatra ny tsy miankina, mba nankaiza ihany koa ireo mpanohitra izay nitady fifandanjan-kery ? Toa nikombom-bava avokoa vao nahatafiditra depiote maromaro. Afaka ny hiady toerana any anaty governemanta ihany koa izy ireo. Sitrany ahay ve mihinan-kely toy izay mandry fotsy dia aleo mamadika ny mpanohana nahafatra-po ? Nolalaovin’ny kandidà isanisany ny fahalemen’ny vahoaka malagasy hoe entina miady fahefana manokana sy ho an’olom-bitsy. Mitovy fa tsy sahala izy rehetra !

r.r

Partager sur: