Fandraharahana : manodidina ny 11% ny tahan’ny fampidiran-ketra

Mbola ambany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto Ma­dagasikara. Manodidina ny 11% izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 18% any amin’ireo firenena afrikanina. «Betsaka ireo mpandraharaha mbola misehatra eo amin’ny tsy ara-dalàna ka anisan’ny mahatonga izao taha ambany izao», hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena mpisolo toerana, Ramon­javelo Valery, omaly, nandritra ny fanolorana ny hetsika “Tsenaben’ny tanora”. No­tohizany fa mitaky ezaka goavana ny hampakarana io taha io ho 20% mba hahafahan’ny tsirairay hisitraka ireo fotodrafitrasa samihafa ho an’ny fampandrosoana. Ankoatra izay, ampirisihina ireo mpandraharaha hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Manampy betsaka amin’ny fahaiza-mitantana orinasa sy ny fampiasam-bola anatiny rahateo ny fampiofanana ireo mpisehatra sy mampivelatra ny seha-pihariany.

Vokatra
Hotontosaina eny amin’ny Palais des sports Maha­masina, ny zoma sy sabotsy izao, ny “Tsenaben’ny tanora” andiany voalohany. Hetsika ara-toekarena hahitana ireo asa tanan’ny tanora manerana ny Nosy sy ny seha-pihariana ataony. Ankilany, misokatra ho an’ny rehetra ny fiofanana «masterclass» hifampizarana traikefa sy fahalalana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Tsiahivina fa antoky ny fampandrosoana ny firenena ny fandraharahana noho izy mampiroborobo ny toekarena.

Henintsoa Hani

Partager sur: