Fialantsasatra lehibe : Iandrasana vahiny ny lalao iombonana

Manana ny lalao fanao ny Malagasy fahiny. Ny ankamaroany, saika notanterahina teo an-tokotanibe. Tsy hita intsony izany ankehitriny, raha tsy eo ny finiavan’ny vahiny !

Tafiditra tao anatin’ny fanabeazan’ny Malaga­sy ny taranany ny lalao. Vitsy raha oharina amin’ny lalao iombonana ny lalao samy irery. Ny ankamaroan’ireny lalao ireny rahateo, tsy afaka nolalaovin’olon-tokana. Nanana ny tokotanibe ny tanàna na vohitra tsirairay. Eo no ambohipihaonan’ny ankizy…
Amin’izao fotoana izao, hadinon’ny Malagasy tanteraka ny fisian’izany, hany ka ny vahiny indray no mampahatsiahy sy mikarakara ny hiverenan’ity endri-panabeazana fahiny ity. Andro vitsy sisa, hiditra ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny mpianatra. Efa zary fahazarana isan-taona ny fisian’ny lalao iombonana, tanterahina any amin’ireo foibe na ivontoeran’ny kolontsaina sy zavakanto tantanan’ny vahiny. Fa nankaiza ny Ma­lagasy ?

Na ilay tokotany aza nanjavona
Ilay tokotany manodidina ny trano, tsy hita intsony. Ny tokotanibe iraisan’ny mpiray tanàna, efa feno trano… Tranga fahita, indrindra indrindra, eny an-tanàn-dehibe. Ireo lalaon’olon-tokana nampidirin’ny vahiny, saro-miala eny an-tanan’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora sy ny olon-dehibe. Mahatsiaro ho lesoka manoloana ny hafa izy ireny raha tsy mitazona finday sy «manao jeux». Nanjary tsy maharototra ny Malagasy intsony ny tsy fisian’ny tokotany sy ny tokotanibe, eo amin’ny fiarahamonina. Tsy fantany intsony ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana.
Ankoatra ny ankohonana, ny tokotanibe no toeram-pandranitan’ny Malagasy ny sain’ny taranany mba ho lalim-pandinihina ka hahataka-davitra. Noho izany, azo antoka fa miha «dombo saina» hatrany ny taranaka malagasy, hany ka miandry vahiny hatrany isaky ny hanao zavatra !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: