Fifandanjan-kery eny Tsimbazaza: depiote tsy miankina miisa 45 hanohana ny fitondrana

Tapa-kevitra tanteraka. Na­nao fanambarana, omaly, ireo depiote miisa 45, voafidy tamin’ny tsy miankina fa hanambatra hery ka hanangana vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimie­ram­pirenena. Nambaran’ny depiote Rakotoniaina Pety sy ireo namany fa mitovitovy hevitra avokoa izy ireo ka nivory ary izao tapa-kevitra izao. “Anto-pisian’ny solombavambahoaka ny hitondra ny hetahetan’ny distrika nahavoafidy anay ka izahay ireto mahaleo tena ireto no mitovy hevitra amin’izany sy vonona ny hanohana ny fitondrana koa”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ireto tsy miankina ireto fa vonona hiady ho an’ny vahoaka izy ireo ary mitovy firehana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena. “Manome toky anareo vahoaka nifidy anay izahay fa hitazona ny foto-kevitra amin’ny maha tsy miankina mandritra ny dimy taona, araka ny safi­din’ny vahoaka”, hoy ihany izy ireo. Niantso ireo namany hafa mahaleo tena koa izy ireo ho avy hanatevin-daharana, hifanome tanana hiady ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka.
Etsy andaniny, nilaza ho sarotiny izy ireo amin’ny fametrahana ny fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenena ka mitana izany mandrakariva.
Tsiahivina fa miisa 50 ireo depiote voafidy amin’ny anaran’ny tsy mainkina, araka ny voka-pifidianana teo anivon’ny HCC.

Synèse R.

Partager sur: