Hifamotoana eny amin’ny Magro Tanjombato ireo mpikatroka eo anivon’ny Tim, ny sabotsy izao. Eo ny fanamarihana ny faha-22 taon’ny antoko fa anisan’ny andrasana koa ny hevitr’izy ireo momba ny eo anivon’ny Antenimierampirenena.
Mbola ifandroritana? Mivonona ny haka ny toeran’ny filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny antoko Tim. Mirona amin’izany ny fanehoan-kevitr’ireo mpikambana sasany, indrindra ireo depiote. Anisan’ny efa nanatsidika io resaka io ankolaka ny solombavambahoaka, ny Me Razafimamantsoa Hanitra, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, omaly. Nambarany fa miisa 16 ireo depiote Tim amin’ireo solombavambahoaka miisa 22 mianadahy amin’ny anaran’ny vovonana Firaisankina. Mbola tsy mazava ny resaka na vovonana na antoko politika no ahazoana izany toerana izany.
Etsy andaniny, efa mandeha ny resaka fa mety ho ny filoha mpiara-mitantana ity vovonana ity, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, no ho amin’izany sezan’ny filoha lefitra izany. Voalazan’ny lalàna sy ny fitsipika anatin’ny Antenimiera koa, ankoatra izany, ny ahazoan’ny mpanohitra toeran’ny filohan’ny vaomiera iray eny Tsimbazaza.
Mbola manjavozavo
Midika izany fa mbola manjavozavo ny hahazoan’ny mpanohitra izany toerana izany na ho an’ny Tim na ho an’ny vovonana Firaisankina.
Tsiahivina fa efa nikasa ny haka izany toeran’ny filoha lefitra fahafito eny amin’ny Antenimierampirenena izany ny antoko MMM tarihin’ny filohany, Andrianainarivelo Hajo, ny taona 2014 – 2018, saingy narirariran’ny fitondrana HVM. Nisafidy ny tsy haka izany seza izany kosa ny Tim ho an’ny taona 2019-2023 na efa nisy nikasa ny hisisika ho amin’izany aza ireo mpikambana sasany.
Synèse R.