Efa manomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana BEPC ny talata lasa teo, hoy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manao ny ezaka rehetra ny minisitera amin’ny fivoahan’ny valim-panadinana faran’ izay haingana. Misy ny laharana maitso 921 azo iantsoana mivantana ny minisitera raha sendra misy tranga tsikaritra mahakasika ny fanadinana sy ny fanabeazana.
Tsy ny fiakaran’ny maripana ihany no azo itarafana ny fiovan’ny toetr’andro fa ny vokany eo amin’ny fiainan’ny vehivavy ihany koa. Rehefa tsy mahavokatra intsony ny tany eo amin’ny faritra iray, voatery mifindra monina mitady fihariana ny fianakaviana. Mety hiteraka herisetra mifototra amin’ny maha lahy na mahavavy izany. Tokony hijery manokana io zava-misy ireo mpamolavola ny politika hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Hatao ny 9 hatramin’ny 12 jolay izao ny hetsika fanaovam-baksiny maimaimpoana manerana ny Nosy hiadiana amin’ny aretina lefakozatra. Tsy misy fambara mialoha ny aretina lefakozatra nefa miteraka fahalemena mandra-pahafaty na mahafaty mihitsy. Afaka manao vaksiny manamafy ny hery fiarovana na dia efa natao izany aza taloha.
Mampirisika amin’ny fisotroana rano mafana matetika sy fihinana sakafo mafana ny dokotera ho fiarovan-tena amin’ny hatsiaka. Ilaina hatrany ny fanatanjahantena na dia anatin’ny hirifirin’ny hatsiaka aza. Lanjalanjaina ny sakafo, mihinana voankazo betsaka hanampy amin’ny hery fiarovana. Manao mafana tsara ireo tsy maintsy mivoaka ny trano.