Lamtah London : hiverina an-tsehatra

Mivoatra manaraka ny filana ny mozika. Nanaraka izay rivotra izay i Lamtah London. Anisan’ireo mpanakanto zanak’i Toliara, nisafidy ny mozika an-tanàn-dehibe izy, tamin’ny nanombohany 10 taona lasa izay. Nanafangaro ny ragga dancehall, ny reggae roots, sns, tamin’izany, ka namoaka ny “Reveny”, sns. Nisy fotoana niato kely, naka bahana ho an’ny tohin’ny lalany amin’ny mozika i Lamtah London. Fantatra kosa izao vao hiverina an-tsehatra, ary hizara mozika misy karoka kokoa ity mpanakanto ity. Tsy vitan’izay fa niantso ny fahaiza-manaon’ireo mpitendry hiaraka aminy an-tsehatra ihany koa izy. Tsy niala tamin’ny mozika fototra niaingany anefa, fa hanatsara bebe koa, raha ny heno amin’ny “Go iha”, hira mihetsika vaovao vao navoakany. Ity hira vaovao ity no hanoritra ny lalan’i Lamtah manaraka eo, eo amin’ny tontolon’ny mozika. Efa nambarany sahady fa hisy rakitsary vaovao, “Zazavavindrano”, hivoaka mialoha ny faran’ny taona. Ny Bilo Music, “label” izay natsangany ihany ny taona 2021, no mandray an-tanana ny fikarakarana rehetra.

Zo ny Aina

Partager sur: