Lycée teknika : Tapitra androany ny fanadinana BEP

Hifarana androany, izay naharitra efatr’andro, ny fanadinana Brevet d’études professionnelles (BEP) ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Raha toa ka efa tapitra omaly kosa ny Certifi­cat de fin d’apprentissage (CFA) ho azy ireo. Fanadi­nana ara-panjakana natokana ho an’ireo nisafidy ny làlam-piofanana arakasa ny diplaoma BEP. Anisan’ny mari-pahaizana ahafahan’ny mpianatra miasa avy hatrany eny anivon’ny sekoly teknika ihany koa izy io. Antony mahatonga ny maro hisafidy ny lalam-piofanana teknika.
Mahatratra 10 625 ireo mpiadina BEP manerana ny Nosy, izay mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 89. Ahi­tana sehatrasa 30 no atao mandritra izany. Raha ho an’ ny eto amin’ny fari-piadidian’ Analamanga manokana. Ma­hatratra 4 573 ireo mpiadina tonga miatrika io fanadinana io, izay mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 16. Nahi­tana mpiadina 244, mitsinjara amina foibem-panadinana 10 manerana ny Nosy ny CFA. Nahitana sehatrasa 4 no natao nandritra ny fanadinana. Ankoatra ireo diploma ireo, maro ny fanadinana ara-panjakana eny anivon’ny Sampam-pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Marihina fa nanatanteraka ny adina hifaninanana hidirana taona voalohany eo amin’ny sekoly teknika ireo mpianatra, 20 sy 21 jona lasa teo.

Mino

Partager sur: