Minisitra Andriantsitohaina Naina : « Mila arovana amin’ny taniny ny Malagasy »

Nitohy ny fidinana ifotony nataon’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, any Atsimo Atsinanana, omaly. Nihaona tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny tenany, tamin’izany.

Vory lanona tamin’izany ireo mpiasan’ny fari-piadidian’ny MFFT avy amin’ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany sy ny fananan-tany ary ny fanajariana ny tany ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano sy ny avy any Farafangana. “Mila arovana amin’ny taniny ny vahoaka malagasy ka haseho sy hampiharina amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika faobe “Titre” sy ny karatany izany”, hoy ny minisitra, nanoloana ireo mpiasa. Nitohy tamin’ny fifanankalozan-kevitra izany, nahafahan’ireo mpiara-miasa rehetra niresaka nivantana tamin’ny minisitra. Anisan’iza­ny ireo olana sedrain’ireo mpiasa sy ny hetahetan’izy ireo. Nanterin’ny minisitra fa tsy hatao an-jorombala ireo eny anivon’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny Nosy. Anisan’ny ezaka imasoana ny hamitana ny sarin-tany mitambabe, ahitana ny satan’ny tany “Plof” rehetra ao amin’ny faritra amin’ity taona ity, araka ny nambarany. “Eo koa ny fanavaozana ny fomba fiasa ho ara-kajy mirindra”, hoy ihany izy. Nampanantena ny minisitra fa hojerena manokana ireo fitaovana mifanaraka amin’
izany.
Nanome toky sy nampiseho fahavononana ireo mpiara-miasan’ny MFFT rehetra fa tsy handraraka ilo mby an-doha. “Manana lehibe mpitarika mitsinjo ny mpiara-miasa izahay”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa vao avy nihaona tamin’ireo ben’ny Tanàna miisa 89, avy amin’ireo distrika miisa dimy, any amin’iny faritra iny ny minisitra, ny fiandohan’ny herinandro teo.

Synèse R.

Partager sur: