Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ Itaosy, omaly ny jiolahy raindahiny amin’ny harom-paosy. Marobe ny fitairanana voarain’ny polisy momba ny fisian’ireo jiolahy manendaka anaty taxi-be. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy nanara-maso teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, ankoatra ireo mody mandeha taxi-be hahafahana mijery ny fisian’ireo olon-dratsy. Nahitam-bokany izany satria tratra tao anaty taxi-be zotra 119 ny jiolahy raindahiny. Naiditra am-ponja omaly ity jiolahy tratra ity.
Saron’ny polisy koa ireo jiolahy roa voarohirohy noho ny fisandohana andraikitra sy fisolokiana. Ny polisy misahana ny cybercriminalité no nahasambotra azy ireo. Mampiasa anarana mpikambana ao amin’ny governemanta ry zalahy ao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ka mitaky vola sy misoloky olona.
J.C