Mpisolovava, sampana Toliara : nahazo trano fiasana vaovao

Notokanana ny zoma 28 jolay lasa teo ny trano vaovao an’ny Holafitry ny mpisolovava, sampana Toliara. Tonga nitokana izany ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nanotrona azy tamin’izany ireo mpanolotsaina mandrafitra ny biraon’ny holafitra sy ireo mpisolovava any an-toerana. Teo koa ireo manampahefana avy any an-toerana. Nanentana ny olona rehetra izy mba tsy ho voafitaky ny mpijirika. Nohamafisiny fa misy fanoloran-kevitra tsy andoavam-bola eo anivon’ny mpisolovava. Nanamafy ny Tonia mpampanoa lalàna, fitsarana ambony fa, “Misy lalàna mifehy azy ny mpisolovava ka nahafahany nanampy ny mpisolovava. Antony nahazoana izao trano izao satria tsy mena- mitaha amin’ny hafa ny mpisolovava ao toliara. Zo fototra ny fiarovana”. Nanamafy ny fisaorana an’ireo rehetra nanome ity trano ity ny filohan’ny sampana Toliara, i Alain Raondry, nandritra ny fotoana. Nohamafisiny hatrany fa nametrahan’ny fanjakana asa ho an’ny vahoaka izy ireo, ankoatra ny asa fiarovana. Mitentina 60 tapitrisa, vola madiodion’ny holafitra, ny nanamboarana ity trano ity.

CMS

Partager sur: