“Revirevy mody masoandro”: hiditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika

Hahazo tombony indray ireo mpankafy vazo miteny sy ny mozikan’ny taona 80. Noezahin’ny mpikarakara hifaranaka amin’izay maha revirevy azy izay ny fizotran’ny fampisehoana amin’io fotoana io hahatanteraka ilay hoe “Revirevy mody masoandro”.

Hotanterahina ny alahady 28 jolay 2024, eny amin’ny Centre de Con­f­­érence International (CCI) Ivato, ny fampisehoana “Re­virevy mody masoandro” andiany faharoa. Hifampizara sehatra mandritra ny fampisehoana ny tarika Mahaleo sy ny tarika Samöela ary ny tarika Lolo sy ny tariny. Hihaona sy hifandray tanteraka ny mpanakanto sy ny mpankafy azy amin’io fotoana io. Hisokatra ho an’ny rehetra ny sehatra ary azo andraisana anjara, ankoatra ny fampisehoana iarahana amin’ireo mpanakanto izay anisan’ireo andrarezin’ny kanto malagasy.
Miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika «Revirevy mody masoandro», amin’izao fotoana izao. Hahazo tombony indray ireo mpankafy vazo miteny sy hira mivatambatana amin’izao fifampizaran’ny tarika Mahaleo sy ny Lolo sy ny tariny ary Samöela sehatra izao. Fahombiazana no azo ilazana ny andiany voalohany, natao tamin’ny taona lasa. Tsy hiova amin’izao hihatsara kokoa ny “Revirevy mody masoandro” amin’ity taona ity. Hanomboka maraina ny seho izay hatokana manokana ho an’ireo mpitendry sy mpankafy gitara. Amin’ny 2 ora sy sasany kosa ny seho iarahana amin’ny mpanakanto hahitana an’i Eric sy Honorat eo amin’ny fanentanana.
Samy vonona ny hanome ny tsara indrindra avy aminy ihany koa ireo mpanakanto. “Mifanaraka tsara amin’ny taoananay ilay fampisehoana. Anisan’ny tombony ho anay ihany koa izao mba tsy ho very ny tononkira sy ny mozikanay. Araraotina ihany koa ny fampisehoana noho ny fiarahana sehatra amin’ireo mpanakanto namana”, hoy i Dama, tarika Mahaleo. “Sam­bany ho anay ny mandray anjara amin’ity hetsika ity. Ireo hira nahafantaran’ny maro anay no entinay hanomezana fahafaham-po ireo izay ho tonga mandritra ny hetsika”, hoy i Bebey, avy amin’ny Lolo sy ny tariny.

Lin

Partager sur: