Roalahy voatifitry ny polisy : mpaka an-keriny, mpilalao ody ratsy

Maty voatifitry ny polisy i Bilo sy Karata mpaka an-keriny. Tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo ny basy mahery vaika miisa enina. Nogiazana ihany koa ny ody ratsy fampiasan-dry zalahy.

Lavon’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Moratelo, kaominina Am­bodirano, distrikan’Ampa­ra­fa­ra­vola, ny 01 jolay teo ny mpaka an-keriny roa lahy. Tompon’antoka tamin’ny fakana raim-pianakaviana roa niambina vary teny an-tsaha, ny alin’ny 5 jona izy ireo. Namolavola paikady hanatrarana ny olon-dratsy ny tao amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava, ny sa­mpandraharaha miady amin’ ny jiolahy mahery vaika, sy ny kaomisarian’Amba­ton­dra­zaka, ary ny polisin’Ampa­ra­faravola.
Nisy ny fitsongoana dia, fantratra taorian’izay ny toerana sy ny fieren’ireo dahalo. Nikasa handositra ireo mpaka an-keriny. Voatery nitifitra ny polisy. Lavo tamin’izany i Bilo sy i Karata. Nitohy ny fikarohana ny namany. Rava ny toby famaharan’ity andiana mpaka an-keriny ity. Hita nandritra izany ny fitaovam-piadiana mahery vaika miisa enina. Mbola hita tao an-toerana koa ny ody ratsy tao amin’ny kizon’ i Beparasy, kaominina Maro­tsipohy, distrikan’An­jo­­zo­robe.

Sambo-belona…
Tetsy ankilany, voasambotra i Zetra, atidoha nikotroka ny fakana an-keriny niseholany tao amin’ny distrikan’ Amparafavarola. Tratran’ny polisy tao Ambatondarazaka. Atao famotorana ao an-toerana izy, hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. Mitohy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy.
Nanao valandresaka tetsy amin’ny Toby Razafindrazaka Berthin, nitatitra ny vokatra azon’izy ireo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police, Rakotoarimanana Herilala, omaly. Tsiahivina, nitsidika ny kaominina Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola, ireo solontena avy ao amin’ny Emmo/Nat, ny sabotsy 10 jona lasa teo. Nanome toromarika ny mpitandro filaminana miantsehatra an-kianja amin’ny hanamafisana ny ady amin’ny fakana an-keriny. Nahitam-bokany avy hatrany izany.

Tsiferana R.

Partager sur: