Sehatry ny rano : hampirisihana hiditra ny tanora

Notanterahina tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, afakomaly, ny atrikasa momba ny filana sy fanofanana ny asa mahakasika ny rano eto Madagasikara. Atrikasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Defi eau”. Fandaharanasa eoropeanina hametrahana Sampam-pampianarana momba ny rano eny amin’ny Oniversitem-panjakana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. “Ho fampiofanana sy fampirisihana ny tanora afaka fanadinana bakalorea hiditra amin’io lalam-piofanana io ny antony nanaovana ny tetikasa Defi eau sy ny atrikasa”, hoy ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, nandritra ny hetsika. “Tsy ampy ny Mala­gasy teknisiaina amin’ny tontolon’ny sehatrasa rehetra, indrindra ny mpisehatra amin’ny rano, fanadiovana sy fidiovana eto Madagasikara”, hoy hatrany izy. Nambarany fa mbola malalaka ny sehatr’asa mahakasika izany, ho an’ireo mahavita fianarana hatramin’ny farany. Ankoatra izay, fotoana iray ahafahana mampifanojo ny fampianarana sy ny fampiofanana eny amin’ ny sekoly Ambaratonga ambony sy ny sehatry ny rano fanadiovana sy fidiovana ihany koa io tetikasa io. Fanambin’izy ireo ny hanatsara ny fampiofanana ho an’ireo teknisianina manovo fahalalana eo amin’ny sehatry ny rano. Zava-dehibe io fandaharanasa momba ny rano io satria mampivoatra ny sehatr’asa tsy miankina sy ny toekarena eto Madagasikara.

Mino

Partager sur: