SOMBIM-BAOVAO

Hitohy ny alahady 7 jolay ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, «Top 20», taranja rugby, sokajy Elite 2. Hifandona amin’izany ny CEA sy ny FBM Itaosy ary ny JSTA Ambondrona sy ny FTAT Anosibe. Rosa hifampitana amin’ny XV Family ary XV FA hihaona amin’ny 3F5.
Hofantatra anio, ireo ekipa roa hiatrika ny famaranana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara taranja baolina kitra. Hiady izany eny amin’ny kianja Elgeco Plus manomboka amin’ny 10 ora ny CFFA sy ny Disciples FC, ary amin’ny 2 tolakandro ny Inate FC Rouge sy ny Elgeco Plus.
Nahazo ny tapakila farany hiatrehina ny ampahefa-dalana hiadiana ny tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, atao any Allemagne, eo amin’ny baolina kitra, i Pays-Bas sy i Turquie. Nandritra ny lalao ampahavalon-dalana natao ny talata lasa teo, i Pays-Bas nanilika an’i Roumanie, 3 no ho 0, ary i Turquie nandresy an’i Autriche, 2 no ho 1.
Hatao any Nosy-Be Hell-Ville, ny fifaninanam-pirenena taranja basikety, sokajy N1B, lahy sy vavy. Hotanterahina ny 6 ka hatramin’ny 14 jolay izany ka hiady ho lohany amin’izany ireo ekipa miisa 14 eo
amin’ny lehilahy, raha 6 ho an’ny vehivavy.

Partager sur: