Toy ny tany Toliara I, nilahatra nitaky ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara ihany koa ny mponina any amin’ireo kaominina ao amin’ny distrika Toliara II, ny 26 jona teo.
Natrehin’ny olom-boafidy sy tomponandraikitra samihafa ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena, ny 26 jona, tany amin’ny kaominina Ankilimalinike sy Belalanda, distrika Toliara II. Manohana ny hanokafana indray ny Base Toliara izy ireo miaraka amin’ny mponina. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Mahatoro Longin, fa manjaka ny tsy fandriampahalemana satria ambony be ny tahan’ny tsy an’asa. Mirona any amin’ny fandraisana zava-mahadomelina ny tanora, ary manaotao foana izy ireo. Raha misokatra anefa ny Base, ho maro ny asa aterany, hiditra ny tamberim-bidy ho an’ny kaominina, ka tsy iantehitra amin’ny volam-panjakana intsony.
Nanamafy i Fidèle, mponina any Ankilimalinike, fa manohana ny Base izahay tanora satria mila asa sady hampandroso ny kaominina sy ny manodidina. Tia fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra izahay, saingy tsy manana baolina, kianja, akanjo fanamiana, sns.
Tsiahivina fa tsy mitombina ny fanapariahana vaovao tsy marina ataon’ireo manohitra ny tetikasa. Tsy misy tanàna na iray aza any amin’ny toeram-pitrandrahan’ny Base Toliara. Miandry fatratra ny fanohizana ny famindrana ny fasana ny tompon-tany, sy ny fanomezana azy ireo ny «volon-tany», vola tambin’ny taniny, ary ny fanampiana sosialy samihafa.
Niray feo
Nilaza ny ben’ny Tanàna any Belalanda, Raherisoa, fa mila orinasa toy ny Base ny tanora. Toraka izany koa i Tsilegna Edson, ben’ny Tanàna Maromiandra, fa sahirana ny fokontany ao amin’ny kaominina, manantena ny hisokafan’ny orinasa ny tanora, ny vehivavy ary ny raiamandreny. Niray feo ny olobe any Maromiandra, i Mahatoky, sy i Renera any Tsianisiha, fa zava-dehibe ny fanampian’ny Base azy ireo, ary mila tohizana izany.
Njaka Andriantefiarinesy