Jiolahy mpamaky trano voasambotry fokonolona tao Antsahatsiresy, kaominina Sabotsy Namehana, ny 1 jolay teo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny io mpamaky trano efa nigadra io ka nifanenjehan’ny manodidina, ny alin’ny alatsinainy tamin’ny 11 ora sy sasany.
Olona telo nahazo fahafahana vonjimaika ary notanana am-ponja ny iray hafa taorian’ny fampanoavana tamin’ireo olona voasaringotra fisolokiana ny Box Miami, omaly.