Vaovao tambatra

Hampiasaina ao an-tokantrano ny 40% ny trosa ataon’ny Malagasy. Mahatratra 46,3% io taha io any ambanivohitra raha manodidina ny 26,3% izany an-tanàn-dehibe. 11,5% ny tahan’ny fitrosana hananganana orinasa, raha 11,4% ho an’ny antony fahasalamana.

Vinavinaina hampiditra 37 tapitrisa dolara isan-taona ho an’i Madagasikara ny fidirantsika ao amin’ny ZLECAF. Heverina fa hampitombo 4,4 tapitrisa dolara ny fanafarana entana ny fidirantsika ao amin’io faritra ara-barotra Afrikanina io ka hampihena ny hetra ho 1,5 tapitrisa dolara izay mampivondrona firenena afrikanina 54 sy mpividy 1,2 miliara.

Miisa 88 ny fikambanana tantsaha ara-dalàna amin’ny fambolena sy fiompiana any amin’ny faritra Atsinanana. Mitentina 2,281 miliara Ar ny tohana ara-bola ho an’ny tantsaha avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ny famokarana (FDA) amin’ny alalan’ny fandaharanasa Rindra, vatsian’ny Vondrona eoropeanina ara-bola.

Mahatratra 4 tapitrisa ha ny velaran’ny tontolo manodidina sy ny ala ho harenin’i Madagasikara hatramin’ny taona 2030. Ao anatin’ny tanjona napetraky ny fifanarahana iraisam-pirenena aty Afrika (Auda-Nepad) io, ka tanjona ankapobeny ny hanarenana 100 tapitrisa ha ho an’ny firenena miisa 32.

Partager sur: