“Tsy nisafidy ny ho mpanohitra izahay, ary tsy nirotsaka koa tamin’ny Irmar izay nanana ny kandidàny”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Vohipeno, faritra Fitovinany, Razafitsiala Velomanana Solomampionona, ny amin’izay toeran-dry zareo eny anivon’ny Antenimierampirenena. Ao anatin’izay hoe tsy miankina izay no miasa, fa afa-miara-miasa tsara amin’ny fitondrana ary manam-paniriana amin’izany. Tsy hisy zavatra vita amin’ny faritra misy ny tena, raha fanoherana no atao. Raha misy ny tetikasa lehibe hanalana ny vahoaka ao anatin’ny fahasahiranana, tsy maintsy mandalo fitondram-panjakana. Ny dikan’izay: tsy ny fanoherana no lalana, fa ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Tsy anisan’ny olona ho voaantson’ny mpanohitra ry zareo, fa manana ny fijeriny hanasoavana ny distrika misy azy. “Matoa izahay mivondrona, te hanana hery”, hoy izy. Miditra ao anatin’ny rafitra hahazoana mampanjaka ny hevitry ny tena izany. Manam-paniriana hametraka olona isaky ny vaomiera rehetra izy ireo amin’izay fivondronana izay.
R. Nd.