« 15ème Dimanche classique »: hiaka-tsehatra ny LMM Saxophone Quartet

Tafiditra ao anatin’ny fanadaharam-potoana karakarain’ ny Madagascar Mozarteum. Hanatanteraka ny kaonseritra andiany faha-15 amin’ny «15ème Dimanche classique» ny LMM Saxophone Quartet. Ireo sanganasan’i Astor Piaz­zolla tahaka ny «Close your eyes and listen», «Libertango escualo», «Oblivion», Chiqui­lin de Bachin », sns, no holalaovin’izy ireo amin’izany. Seho hotontosaina ao amin’ny Alliance Française Andava­mamba, ny 14 jolay izao, manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 5 ora tolakandro.
Anisan’ny mampiavaka ny LMM Saxophone Quartet ny famoahana ilay fifamenoan’ny feo eo amin’ny saksôfôna tsofina miaraka. Eo ihany koa ny fiarahan’ny talentan’ny «an­dra­rezina» amin’ny fampiasana ny zavamaneno tsofina, indrindra fa ny saksôfôna toa an’i Seta Ramaroson sy ny tanora dimby sy hoavin’ny zavakanto malagasy.
Marihina fa efa zatra miaraka amin’ny fanatontosana sy famoahana sanganasa anisan’ny sarotra tahaka izao izy efa-mianaka ireto. Tsy vitsy rahateo ny seho sehatra efa nanehoan’ny LMM Saxo­phone Quartet ny talenta sy ny fahaiza-manaony amin’ny fitsofana zavamaneno.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: