Ramatoa tompon’atoka tamin’ny fisolokiana voasambotry ny zandary tao Mahafaly, kaominina Antsirabe, afakomaly. Milaza ho mpiasan’ny orinasa iray ny tenany, ka norebireben’io ramatoa io ireo olona naniry hiasa ao. Nilaza fa hanokatra tobim-pahasalamana ao amin’ny kaominina Ambatolahy ny orinasa hiasany ka vitany ny mampiditra mpiasa amin’izany. Nangalany vola mitotaly 45 000 Ar hatramin’ny 90 000 Ar ireo lasibatra. Nomeny taratasy hosoka ireo olona nakany vola ho solon’ny fifanarahana. Niandry anefa ireo lasibatra saingy narirarin’ilay ramatoa hatrany. Nitory teny anivon’ny mpitandro filaminana ireo voasoloky. Vokany, voasambotra io ramatoa io sy ny olona dimy mpiray tsikombakomba aminy. Olona efa maherin’ny 20 no tratran’izy ireo tamin’io fanambakana io.
Tsiferana R.