“Can 2025”: miray vondrona amin’i Comores i Madagasikara

Nivoaka omaly ny fitsinjarana isam-bondrona amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny amboaran’ny “Can Maroc 2025”. Ao amin’ny vondrona « A » i Madagasikara. 

Notontosaina omaly, tany Afrika Atsimo, ny antsapaka hahalalana izay firenena mpiray vondrona amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”. Miray vondrona “A” amin’i Madagasikara indray ny Nosy rahavavy Comores, sy Tuni­sie, ary i Gambie. Efa nifanandrina tamin’ny Barea avokoa i Comores sy i Tunisie raha toa ka tsy mbola nihaona tamin’i Madagasikara ry zareo Gam­bianina. Tsiahivina fa i Co­mores, miray sokajy “I” amin’ny ekipam-pirenena malagasy any amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2026”, izay hatao any Eta­zonia. Efa resin’ny Malagasy 2 no ho 1 izy ireo ny volana jona lasa teo, tany Afrika Atsimo. Ny Aigle de Carthage Tunisie kosa no nanintsana ny ekipa nasionaly malagasy, teo ampahefa-dalan’ny “Can Egypte 2019”. Ekipa vaovao amin’ny Malagasy i Gambie. Araka ny fikarohana natao, laharana faha-132 ao amin’ny filaharan’ny Fifa izy ireo, raha toa ka faha-104 i Mada­ga­sikara. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­manampisoa Alfred, omaly, teny By-pass, fa efa firenena goavana avokoa ny aty Afrika saingy manana ny lanjany ny mpilalao rehetra mandrafitra ny Barea. Fanambin’ny FMF ny hanaovan’i Madagasikara “Can 2025” sy ny “Mondial 2026”. Ankoatra izay, hisy mpilalao efatra vaovao hanatevina ny ekipa nasionaly. Nomarihin’ity lehiben’ny FMF ity fa hofantatra ny volana aogositra ho avy izao izany. Marihina fa hanomboka ny volana septambra ho avy io, ny fifaninanana ady tapakila amin’ny “Can 2025”.

Fitia Randria

Hanafatra bozaka any ivelany
Nilaza ny tomponandraikitra voalohan’ny FMF, omaly, fa efa mizotra miandalana ny fanamboarana ny kianja Barea Mahamasina. Efa nisy ny fifampiresahan’ity filohan’ny FMF ity sy ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry, mahakasika izany. “Hanafatra bozaka any ivelany isika mba hahafahan’ny Kianja Barea mandray lalao iraisam-pirenena indray”, hoy ny filohan’ny FMF. Tsy namaritra ny fotoana sy ny ny vidiny ary ny firenena hanafarana io bozaka io tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana ity lehiben’ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Tsiahivina fa tsy nankatoavin’ny Caf ny Kianja Barea Mahamasina noho izy tsy manaraka ny fenitra takin’izy ireo.

Partager sur: