FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny fiadidiana ny Repoblika fa hivory voalohany ny Antenimierampirenena ny talata 9 jolay izao, araka ny voalazan’ny Lalàm­pa­norenana. Anisan’ny lahadinika amin’izany ny fifidianana ny ho filoha sy ireo mpikambana anaty birao maharitra ary ireo vaomiera. Manana toerana filoha lefitra sy filoham-baomiera iray ny mpanohitra, araka ny fampitam-baovao.

Hisolo ny toeran’ny loholona, Donat Tang, voafidy ho depiote farany teo, Ramarosoa Emilienne. Natolotry ny Irmar. Manana loholona vehivavy miisa roa izany izao ny avy any amin’ny faritan’i Toamasina, etsy amin’ny Lapan’Anosikely. Anisan’izany ny loholona avy amin’ny MMM, Raharinirina Sidonie.

Handray ny toromarika amin’ny hiatrehana ny taorian’ny fifidianana depiote ny Tim, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Ny Riana, tetsy Bel Air, omaly. Nentaniny ho tonga avokoa ny rehetra, ankoatra ireo efa voaasa manokana. Hisy ny fiaraha-misakafo amin’izao fanamarihana ny faha-22 taon’ny Tim izao.

Handray anjara amin’ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy Afrika, ny 9 sy 10 jolay izao, any Guangzhou Sina, ny praiminisitra. Nahazo fanasana avy amin’ny « Association du peuple Chinois pour l’amitié avec l’étranger – APCAE » i Madagasikara. Lohahevitra : “Ny fananganana vondrona ho an’ny hoavy iombonana avo lenta Sina-Afrika”

Partager sur: