«Fialantsasatra kanto»: Tanjona ny hikolo ny sain’ny ankizy

Tanterahina mandritra ny volana jolay sy aogositra, mitety ny tranomboky eto An­tananarivo, ny «Fialantsa­satra kanto». Hetsika ara-javakanto maro samihafa no handravaka izany, karakarain’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), miaraka amin’ny mpahay kanto isan-karazany. Marihina fa maimaimpoana tanteraka ny hetsika. Ny ankizy no tena kendrena ao anatin’izany. Ankoatra ny fitazonana ny sain’izy ireo hiasa amin’ny zava-mahasoa azy. Tanjon’ny mpikarakara ihany koa ny fampivelarana sy famohazana ny talenta miafina any anatin’ny ankizy tsirairay.
« Tsy izay tian’ny ankizy no omena azy fa izay ilainy » hoy Rasoanantenaina Lydie, tomponandraikitra avy eo anivon’ny TKM. Izany indrindra no nanaovana izao hetsika izao ho fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana sy fikoloana ny sain’ny ankizy mandritra izao fialantsasatra izao. Marihina fa hita mandritra ny « Fialantsasatra kanto » ny atrikasa fanaovana sary hosodoko, sary sokitra ary sary lasitra.

Lin

Partager sur: