Fiaraha-miasan’ny Pnud sy ny MFFT : hohatsaraina ny asam-panjakana eny ifotony

Anisan’ny ho vaindohan-draharahan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny fanatsarana ny asam-panjakana eny ifotony. Iraha-miasa amin’ny Pnud izany

Notanterahina, afakomaly, tetsy amin’ny FDL Anosy, ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpiara-miomban’antoka ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ny faritra. Ani­san’ny nitarika izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Nai­na, sy ny avy amin’ny Pnud, i Jean-François Du­buisson.
Voaresaka tamin’izany fa ilaina ny sehatra mikendry ny hampifanaraka ny tetikasa sy ny fandaharanasa amin’ny laharam-pahamehana amin’ny lafin’ny fitsinjaram-pahefana. Natao izany mba hanamafisana ny fahaleovantenan’ny manampahefana, olom-boafidy na olom-boatendry eny an-toerana sy hanatsarana ny asam-panjakana manerana ny Nosy. Miainga amin’ny alalan’ny Drafim-pirenena mahakasika ny fitsinjaram-pahefana miabo « Plan National de la décentralisation émergente – PNDE » izany.
Ankoatra izay, nifampizarana koa ny momba ireo tetikasa maromaro, efa an-dalam-panatanterahana amin’ izao fotoana izao. Anisan’ izany ny fampifanarahana ny drafi-paritany sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny eny ifotony, toy ny kaominina.
Tsiahivina fa nialoha izao fihaonana izao, anisan’ny nanatrika ny fanolorana teo anatrehan’ny Ampanjaka sy ny raiamandreny ara-drazana ny Tranoben’ny seranam-piaramanidina tany Farafangana ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Niara-dia taminy ny minisitry ny Fitaterana, Ra­monjavelo Valery.

Synèse R.

Partager sur: