Fifidianana ben’ny Tanàna : tsy miova ny tolo-kevitry ny Ceni, 6 novambra

“Ny volavolan-kevitra na­roson’ny Ceni eny anivon’ny governemanta ny amin’ny andro hanaovana ny fifidianana kaominaly dia ny 6 novambra. Miainga avy amin’izay, misy ireo tetiandro mifamatotra amin’ny asa takin’ny fanomanana sy fikarakarana an’izay fifidianana izay”. Io ny fanazavan’ny mpampakate­nin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Amin’izao, efa ao anatin’ny fandaminana ankapobeny an’izay fifidianana izay ny eo anivon’ny Ceni, na ho raikitra na tsia amin’ny 6 novambra izany. Ny didim-panjakana havoakan’ny filankevitry ny governemanta no manamafy an’izay andro hanatanterahana ny fifidianana nofaritran’ny Ceni hoe 6 novambra izay.
Raha amin’ny 6 novambra ny fifidianana, mamaritra ny lalàna fa farafahakeliny 90 andro alohan’io no tsy maintsy mivoaka ny didim-panjakana manaika ny olom-pirenena hanatanteraka ny adidiny handatsa-bato amin’io 6 novambra io. Raha voatana ny hanatanterahana ny fifidianana, raha tratra aoriana indrindra: amin’ny 6 aogositra no tokony hivoaka ny didim-panjakana momba azy. Tsy didim-panjakana fihaikana mpifidy ihany no tokony hivoaka amin’izany, fa ireo didim-panjakana milaza ny pitsompitsony rehetra takin’ny fikarakarana izany fifidianana izany: ny antontan-taratasy tokony ho­fenoin’ny kandidà, ny anto-bola enti-miatrika izany, ny famerana ny fari-pifidianana…

R. Nd.

Partager sur: