Fiparitahan’ny laza adina – TARANJA ANGLISY : nihemotra ny fanombohana

Novain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho la­za adina faharoa ny taranja Anglisy nanerana ireo ivontoeram-panalana fanadinana, omaly, noho ny fiparitahan’ny laza adina mialoha tamin’ireo ankizy. Anisan’ny nahitana ny tranga ny tetsy amin’ny CEG Nanisana.
Niteraka fikorontanana teo amin’ny fotoana tokony ho nanalan’ny mpianatra ny fanadinana izany. Nihemotra ihany koa ny ora fanombohan’ny andro farany nanalana ny BEPC.
Tamin’ny 9 ora sy fahefany maraina teo ho eo vao nanomboka ny fanadinana raha tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany izany. «Tsy nadika ny lahatsoratra fa tonga dia ny fanontaniana sy ny lohahevitra no nadika tamin’izany», hoy ireo mpianatra nanaovana fanadihadiana teny an-toerana. Nisy tamin’ireo mpianatra niadina teny an-toerana no efa nahazo mialoha ny valim-panadinana, raha ny fanazavan’ireo mpianatra hatrany. Nohamafisin’izy ireo fa nisy ireo efa nitondra ny valim-panadinana teny an-tanany sy nanao tsianjery izany.
“Raha ho an’ny eto amin’ny CEG sy Lycée Nanisana, tsy nahita ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ireo mpianatra”, hoy Ramanandrato Jean Luc, proviseur ny Lycée Nanisana. Nambarany fa nilamina tsara ny fizotry ny fanadinana nandritra ny herinandro. Nahatratra 2 871 ireo mpianatra nanala fanadinana teo anivon’ny Lycée Nani­sana, raha 667 ny tao amin’ny CEG Nanisana. Efa natolotra ny mpitandro filaminana ny tompon’andraikitra tamin’ny fiparitahan’ny laza adina, raha ny tatitra voaray tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa nisy ny fisamborana, afakomaly. Nampiatoana tamin’ny fanadinana kosa ireo mpiadina ahina tamin’izany tranga izany.

Mino

Partager sur: