Fondation Uchida : mpianatra 5 nahazo vatsim-pianarana

Toy ny fanaony isan-taona, nanome vatsim-pianarana mi­tentina 1 tapitrisa Ar avy ho an’ny mpianatra miisa 5 ny fikambanana Fondation Uchida, miara-miombon’antoka amin’ny orinasa Dahio, ny 3 jolay teo. Mpianatra sampana Fanorenana sy asa vaventy (BTP) eny amin’ny sekoly ambony polyteknika ESPA Antananarivo, IST Antananarivo, ISPM Antananarivo, ESP-DIE Antsiranana ary Oniversite Toliara, sampana tontolo mananaina izy ireo.
Nanangana ny fikambanana ny masoivohon’i Japon niasa teto Madagasikara taloha, SEM Uchida, sy ny masoivohon’i Madagasikara niasa tany Japana taloha. Dimbiasan’ny zanany izy ireo ankehitriny. Nisitraka ny fanampiana ny ankizy sahirana eny amin’ny ambaratonga faharoa, ary niova ho an’ny mpianatry ny sekoly ambony polyteknika kosa nanomboka ny taona 2004.
Anisan’ny fepetra hisitrahana ny vatsim-pianarana ny iray amin’ny mpianatra dimy voalohany (major) isak’ireo sekoly dimy voalaza ireo, fa jerena koa izay tena sahirana. Miisa 65 ny mpianatra efa nisitraka ny vatsim-pianarana nanomboka ny taona 2004 ary 234 hatramin’ny nitsangan’ny fondation Uchida.

Njaka A.

Partager sur: