Hiragasy: Hanamarika ny 35 taona an- tsehatra Rasoalalao Kavia

Iray amin’ireo tarika kalaza indrindra amin’ny hiragasy ry Rasoalalao Kavia. Hiavaka ny taom-pilalaovana, satria hanamarika ny 35 taona nilomanosan-dRasoalalao tanatin’ny hiragasy izy ireo.

Ao anatiny. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ireo tarika mpanao hiragasy malaza rehetra. Ho an’ny tarika Rasoalalao Kavia manokana, efa nanomboka ny volana marsa izy ireo no tsy nitsahatra ary hatrany amin’ny faran’ny volana oktobra io. Na izany aza, nampidirin’ny tarika anatin’ny fandaharam-potoana, amin’ity taona ity, ny fanamarihana ny 35 taona nilomanosan-dRasoa­lalao tao anatin’ny hiragasy.
“Efa lehibe Rasoalalao ka heverinay fa mendrika ny hankalazaina izany 35 taona an-tsehatra izany”, hoy ny nambaran-Randrianasolo Jean de Dieu, na Rainimanga, izay ana­dahin-dRasoalalo Kavia, ary mpiara-mitarika ny tropy aminy. Ady hiragasy ihany no hanamarihan’izy ireo izany, izay hotontosaina ny 21 jolay izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Hifanan­drina amin’ny tropy Rasoalalao Kavia, mandritra izany, ry Rapaulson Mandiavato. Tropy mifankahalala tsara ireo hifandona anaty hiragasy ireo, no samy be mpankafy rahateo.
“Efa maro ny nihaonanay roa tonta, fa sambany no ho eto amin’ny Kianjan’ny Kanto. Sambany ihany koa ny hampihaona hira vaovao”, hoy hatrany Rainimanga. “Aza mifanararaotra fa io no tsy mahatafavoaka” sy “Mety aminao fa tsy mety amin’ny hafa” ireo hira roa vaovao hatsangan-dry Rasoalalao Kavia, hoentin’izy ireo miatrika ny taom-pampisehoana amin’ity. “Izaho no mpamoron-kira, saingy efa miakatra koa ny taranaka ka efa misy telolahy manampy ahy amin’izao fotoana ao anatin’ny tarika”, hoy Rainimanga.
Raha tsiahivina, taranaka mpihiragasy hatrany amin’ny fahagolan-tany izy ireto, avy any Ampahimanga, Amboanana sy iny manodidina iny. Nanomboka fanta-daza teo amin’ny andron-dRakotomahefa. Nandimby azy Rakotoarivo Kavia, izay rain-dry Rainimanga sy Rasoalalao Kavia. Ito farany no nitondra ny tarika hatramin’izao, izay efa feno 72 taona amin’ity taona ity.

Zo ny Aina

Partager sur: