Hopitaly miaramila-CENHOSOA: efa mandidy fo an’ny ankizy

Dingana lehibe ho an’ny fitsaboana malagasy ny fahavitan’ny toeram-pandidiana fo, misokatra ho an’ny ankizy, voalohany eny amin’ny Cenhosoa. Maro ny zaza efa miandry fotsiny ny fotodrafitrasa ka tsy ho voatery handeha any ivelany intsony raha mila izany.

Efa mandray fandidiana nanomboka ny volana mey lasa teo ny toeram-pandidiana voalohany ny fo, misokatra ho an’ny ankizy, eny amin’ny Hopitaly Soavi­nan­driana (Cenhosoa). Zaza efatra mianadahy no nodidiana ary fahombiazana tanteraka ny vokatra azo, efa nisy namonjy ny tokantranony (Mandritsara, Fianarantsoa…) izy ireo, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny hopitaly, ny général de brigade, Ratovondrainy Willy, omaly, nandritra ny fitokanana ity fotodrafitrasa vaovao ity. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Association Chaîne de l’espoir sy ny Agence française de développement (AFD) ary ny CHU La Réunion no nahazoana ity toeram-pandidiana voalohany natokana ho an’ny ankizy ity. Notanterahina ny 21- 24 mey lasa teo ny fandidiana voalohany ho an’ireo zaza efatra mianadahy ireo, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Association Chaîne de l’espoir, ny Dr Éric Cheysson, izay mpandidy ihany koa. Tanjona ny hanitarana ny toeram-pandraisana satria efatra ihany ny fandriana ao amin’ny efitra fameloman’aina hatramin’izao.
« Hanofana Malagasy mpi­tsabo sy mpandidy ny fikambanana sy ny mpiray ombon’antoka ka 154 no hisitraka izany. 180 ny fandidiana hatao ao anatin’ny telo taona ary zaza 21 000 no ho voakarakara amin’ny fitsirihana sy fandraisana an-tanana ny aretin’ny fo sy ny lalandra anatin’
ny tetikasa », hoy ny talen’ny AFD eto amintsika. Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny lahateniny fa ho maimaimpoana ny fandidiana sy ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana rehetra ho an’ny zaza manana olana amin’ny fo, ho an’ny dimy taona manaraka miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka. Hanangana toeram-pitsaboana lehibe hisahana ny aretin’ny fo sy ny lalandra ao amin’ny Cenhosoa koa ny fanjakana tsy ho ela.

Vonjy

Partager sur: