INDRAY MIJERY

Nanorina efitrano vaovao hianarana, trano fivoahana, lavadrano, kianja fanaovana fanatanjahantena ary fambolen-kazo ao amin’ny CEG Mavorano, faritra Fitovinany, ny Unicef. Nitsidika any Atsimo Atsinanana ny filankevi-pitantanany ary nahita ny asan’ny Unicef hafa hanohanana ireo marefo indrindra. Anisan’izany ny fandaharanasa fiahiana sosialy Zara Mira manohana ara-bola ny ankizy sy ny ankohonany.

Ho an’ny telovolana ho avy: jolay sy aogositra ary septambra, hanodidina na hidina noho ny tokony izy ny maripana ho an’ny afovoantany.Toy ny faritra Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, Am­oron’i Mania, Matsiatra Ambony sy Ihorombe ary Anosy. Eo koa ny ilany atsimon’ny faritra Alaotra Mangoro, ny faritra Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo atsinanana.

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fividianana ireo fitaovana sy kojakoja ho fametrahana ny fifanarahana ara-piaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Unops. mahakasika ny fitaovana ilaina amin’ny lafiny ara-pahasalamana, hamatsiana ireo hopitaly sy CSB izany.

Noraisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana « pipet tips 0,1-10 microlitres non stérile bag of 1000 » avy amin’ny commission de l’océan indien, araka ny filankevitry ny minisitra. Entina hanarahana ny fitehirizana ireo vaksiny mba tsy hahasimba ireo singa ao anatiny izany fitaovana izany.

Partager sur: