Madagascourt Film Festival : hanokatra ny sehatra ny sarimihetsika «Joro»

Tanterahina anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana fanokafana amin’ ny fomba ofisialy, ny «Ma­dagascourt Film Festi­val», andiany faha-19. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, in­drindra eto Madagasikara, ity hatao ity.
Sarimihetsika anisan’ny manana ny maha izy azy ny horonantsarimihetsika “Joro”, notontosain-dRandria­manan­tsoa Rianando Ludovic, entina manokatra ny “Madagascourt Film Festival”, andiany faha-19. Tantarana zazalahy iray antsoina hoe Joro no nisarihan’ny mpanatontosa ny fon’ny mpankafy sarimihetsika. Za­zalahy niaina sy nahavita nisedra ny olana maro nateraky ny fanjanahantany sy ny hetraketraky ny mpanjanaka i Joro. Anisan’izany ny herisetra ara-batana. Ny herisetra ara-moraly no tena nihatra tamin’ireo ankizy. Nanoloana izany indrindra no nanehoan’ity mahery fo ity herin-tsaina sy herim-po ioharana.
Horonantsarimihetsika vao nivoaka tamin’ity taona ity ny “Joro” ary efa anisan’ny nandray anjara tamin’ny “Festival de Cannes 2024” sahady. Ankoatra ny fampialana voly, amin’ny maha horonantsarimihetsika sy zavakanto azy, tanjon’ny mpamorona ihany koa ny hitondra fahalalana ny mpankafy sy hampahafantatra azy ireo ny zava-nisy tamin’izany vanim-potoana izany.

Lin

Partager sur: