Miova raha!

 

Tao anatin’ny andro vitsy, mahavelombolo ny fihazakazaky ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa isan-karazany eto amin’ ny tanàna. Izay vao hita taratra ny firidan’ny lamasinina aingam-pandeha. Efa miridana atsy ny fanamboarana ny lalambe migodàna.  Mijoalajoala sy mahavelombelo ny hopitaly manara-penitra ara-bakiteny. Efa mahavita mandidy fo ny Malagasy manam-pahaizana! Miaraka amin’ny fitaovana raitra.
Iza no tsy ho faly amin’izany? Ireo mety ho mpamosavy malemy sy ny mpanao volo mpanoha-randrana angaha! Miasa ary manao izay ho afany ny mpitondra amin’izao fanombohan’ny fotoam-pitondrana izao. Inoana sy antenaina fa hitohy, tsy hisy ny sakana mandra-pahatapitry ny dimy taona. Ny bainga voavadika ihany no fantatry ny vahoaka. Mila asa mitondra vokatsoa ho azy izy ireo.
Zava-dehibe ho an’ny fahasalamana ny fisian’ny sampandraharaha mandidy fo ho an’ny ankizy eny amin’ny hopitaly miaramila. Santatry ny fiahiana ny sosialim-bahoaka, izay hilofosan’ny fanjakana amin’ity fotoam-pitondrana faharoa ity, izany. Vahaolana maharitra sy goavana azo tsapain-tanana tahaka izany no andrasan’ny vahoaka. Izany rahateo no ilaina fa tsy ny kitolotolotra, vonjy tavan’andro.
Olana goavana sedrain’ny vahoaka ny mahakasika ny andavanandrony, indrindra ny fahasalamana. Zava-dehibe sy goavana ho an’ny Malagasy izany. Fanamby iray izay no vao vita. Andrasana ihany koa ny momba ilay fanaovana grefy momba ny voa. Anisan’ny fandaharanasan’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa izay. Tsy mbola tanteraka izany ka andrasana ny ho fahavitany.
Sehatra iray, tokony ary tsy maintsy hilofosan’ny fitondrana koa ny mahakasika ny fampianarana. Maro ny lesoka na amin’ny fandaharam-pianarana, na amin’ny fomba fampianarana, na ihany koa amin’ny teny hoenti-mampianatra. Iaraha-mahalala anefa fa io no antoka sy fototry ny fampandrosoana.

r.r

Partager sur: