Naratra mafy : vehivavy notsindromin’ny jiolahy sabatra

Voasambotry ny zandary ao amin’ny Poste fixe Ambalavao, omaly, ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanendahana sy fandratrana tovovavy iray 21 taona, tao Ambalavao Atsimondrano. Hitan’ny olona naratra mafy teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Wagon, fokontany Amboniandrefana, kaominina Ambalavao, ity tovovavy niharam-boina ity. Niantso zandary avy hatrany ireo olona nahita azy nihosin-dra. Tsy nahatsiaro tena rahateo, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary io tovovavy io. Novon­jena haingana ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy. Voamarina ny fisian’ireo tsindron’antsy tamin’ny vatany. Nentina tao amin’ny CSB II Ambalavao Atsimondrano izy saingy tsy vita tao ny fitsaboana azy. Nentina niakatra hamonjy hopitaly izy noho ny fahasarotan’ny fitsaboana. Nanokatra fanadihadiana ny zandary ka fantatra tamin’izany fa avy any Antanifotsy Antsirabe io tovovavy io. Vonoan’olona niniana natao no nihatra taminy izay tsy fantatra mazava ny anton’izany, satria mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny zandary. Nitohy ny fikarohana nataon’ny zandary ka tratra ny lehilahy roa tompon’antoka tamin’izany. Mbola hita teny amin’izy ireo, nandritra ny fisavana, ny fitaovana toy ny sabatra sy hazobe nampiasaina tamin’ny famonoana azy. Hatolotra ny fampanoavana ireo nahavanon-doza aorian’ny famotorana ataon’ny zandary.

J.C

Partager sur: