Sokatra sy varika : ho tafaverina amin’ny faran’ny volana jolay

Nanamafy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Antoine, fa ho tafaverina eto Madagasikara ireo sokatra miisa 1 076 sy varika 48 tratran’ny ladoany thaïlandais, ny 1 mey teo. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana malagasy sy thaïlandais nahatongavana amin’ izao dingana izao. Na izany aza, misy ny fepetra ara-teknika sy ara-pahasalamana tsy maintsy arahina, ka atoka-monina izy ireo. Koa, amin’ny faran’ny volana jolay izao, vao azo atao ny fampodiana ireo biby ireo ary tsy maintsy hatoka-monina fanindroany indray rehefa eto Madagasikara. « Efa eo am-panomanana ny toerana ha­m­e­trahana azy ireo eto amin­tsika, toy ny fitsidihana ny tany Toliara, andro vitsy lasa izay », hoy ihany ny minisitra. Noma­ri­hiny koa fa efa nisy ny ati­doha tratra, vahiny, toy ny tera­tany srilankais, birman, thaïlandais, sns. Tsy mbola nisy kosa olom-boatendry na olom-boafidy voarohirohy tamin’iny raharaha iny. Nohamafisina koa ny fiaraha-miasa amin’ny fanaraha-maso ny sisintany, ny seranam-piaramanidina, ny lalam-pirenena hisorohana ny trafika ato anatiny. Efa nitsangana ny vaomiera manokana « Task force » manatanteraka ireo.
Ankoatra izay, nambaran’ ny minisitra fa mifampidinika matetika amin’ny Fiaraha­mo­nim-pirenena, toy ny Alliance Voahary Gasy (AVG) ny te­nany, mikaroka vahaolana sy mijery ny fiaraha-miasa.

Njaka A.

Partager sur: