« Telma Coupe 2024 » : hanao ny famaranana ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Nihintsana avokoa ny solontenan’ny ligin’i Vakinankaratra. Tafita hiatrika ny famaranana indray ny Elgeco Plus Analamanga sy ny CFFA Andoharanofotsy. Hotolorana lelavola 25 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy.

Toy ny tamin’ny taon-dasa ihany. Ny ekipan’ny Elgeco Plus Anala­manga sy ny CFFA Ando­haranofotsy no hihaona eo amin’ny famaranan’ny fiadiana ny amboaran’i Madaga­sikara, “Telma Coupe 2024”.  Raha hiverenana ny lalao, ny klioban’ny CFFA Andohara­no­fotsy, nandavo ny Disciples FC Vakinankaratra tamin’ny fandakana tirs au but,  4 no ho 3,  rehefa nisaraka ady sahala, 0 no ho 0,  nandritra ny fe-potoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana. Ny Elge­co plus, nandresy 2 no ho 0 ny Inate FC Vakinankaratra.
Mbola manala vela ny mpilalaon’Andoharanofotsy amin’ity fifanandrinana goavana ity. Tsiahivina fa lavon’ny Elgeco plus tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo, tamin’ny famaranan’ny “Telma Coupe 2023”. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus, By Pass ihany ity famaranana goavana ity.
Hofantatra amin’io fotoana io, araka izany, izay hisolo tena an’i Madagasikara, any amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona Afrika­nina (CCaf). Araka ny vaovao voaray, hiakatra 25 tapitrisa Ariary ny vola omen’ny Fe­derasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF).

Fitia Randria

Partager sur: