TSELATRA

Naratra mafy ny vehivavy iray nendahin’ny jiolahy teny Anosy, omaly. Teo am-piandrasana taxi-be vao maraina izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitondra antsy. Lasan’ireo mpanendaka ny finday niaraka tamin’ny poketra teny aminy. Lasa nitsoaka ireo mpanendaka taorian’izay.
Ravan’ny polisy ny tambajotran-jiolahy mpamaky trano ao Sambava. Nisy andian-jiolahy mpanao fanafihana miharo vaky trano tao amin’ny fokontany Andamoty Sambava, omaly. Nanao bemidina ny polisy ka noraisim-potsiny ireo olon-dratsy. Mbola hita teny amin’izy ireo ny entana halatra maro toy ny moto, fahitalavitra sy kojakoja samihafa.
Nanolotra fitaovam-piadiana ho an’ny polisim-pirenena ao amin’ny Toby Razafindrazaka Berthin, eny Antanimora, ny alarobia teo, ny minisiteran’ny Foloalin­dahy. Mampiseho ny firahalahiana eo amin’ny samy mpitandro filaminana sy ireo hery fiarovana sy filaminana izao. Hanampy ny polisy manoloana ny ady amin’ny asan-jiolahy ny fahazoana izao fitaovana izao.

Partager sur: