VAOVAO TAMBATRA

Misy mangalatra ny tsivalamby arofanina
amin’ny tetezana miisa 29 any amin’ny lalam-pirenena RN 44 (tapany avaratra PK 209), any amin’ny fokontany Antanifotsy, distrika Imerimandroso. Efa nampandrene­sin’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) ny tomponandraikitry ny zandarimaria.

Nisy nanimba sy nandoro ny tahala amin’ny sisin-dalana amin’ny RN1 (PK 25 Beronono Imerintsia­tosika), saika hanaovana dobon-trondro. Kasaina hambolena mangahazo kosa ny amin’ny RN1 (PK 103) any Antanetimboahangy, sy any amin’ny RN 43 (PK 2) any Antanikatsaka Analavory sy ny PK 28 any Mahazina Soavinandriana.

Nohamafisin’ny filoha Rajoelina fa mila hafainganina ny fametrahana ireo tobim-pamokarana man­deha amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka
50 MW. Ao anatin’ny tetikasa « Parcs solaires » ireo, hanampiana ny milina mandeha amin’ny solika ampiasain’ny Jirama.

Hividy trakitera roa manana tanjaka 82 CV isanisany ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Hisy trakitera miisa 26 hafa koa hovidiana. Avy amin’ny tetikasa Fambolena maharitra hanatsarana ny tontolo (Padap) sy ny tetikasa fiatrehana rafitra ara-tsakafo (FSRP) ny vola hividianana azy ireo.

Partager sur: