Vatsim-pianarana : hanomboka amin’ity volana ity ny fizarana

Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite manomboka amin’ity volana jolay ity ho an’ny volana faha-4 ka hatramin’ny faha-6.
Hozaraina mialoha ny faran’ny taom-pianarana 2023-2024 kosa ny vatsim-pianarana ho an’ny volana faha-7 hatramin’ny faha-9.
Nankatoavina, nandritra izany, ny famindrana ny tetibola handoavana ireo vatsim-pianarana enim-bolana ho an’ny oniversite 6 manerana ny Nosy ireo.
Nanome toromarika mihitsy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, fa tsy maintsy arahina tsara ny fizarana ara-drariny sy amin’ny fomba mangarahara ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra. Tsy maintsy hatao izay hahatongavan’izany any amin’ireo tokony hisitraka azy.
Vaovao mahaliana ireo mpianatra eny amin’ny oniversite ity fandaminana amin’ny fizarana vatsim-pianarana ity. Matetika, io no fototry ny olana, miteraka korontana sy fitokonana lavareny ary mampikatso ny fampianarana mihitsy aza.

Tatiana A

Partager sur: