Fangaraharan’ny tetibolam-panjakana: tsy ampy ny fahalalana omen’ ny fanjakana ny olom-pirenena

Efa azon’ny daholobe arahina amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara saingy vitsy no mahay mikirakira ny antontam-baovao mivoaka.

Nozaraina omaly, teny Alarobia, ny vokatry ny fanaraha-maso ny fanadihadiana amin’ny fangaraharana sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena amin’ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara, taona 2023. Firenena 125 no nanatanterahina izany ka anisany i Madagasikara nanomboka ny taona 2017. Atao isaky ny roa taona ny fanaraha-maso ka ny MSIS Tatao, izay fikambanana anatin’ny firaisamonina sivily no misahana azy eto amintsika. Hiarahana amin’ny International budget partnership (IBP) sy ny Unicef ary ny Vondrona eoropenina izany, araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka ny MSIS Tatao, Andriamoraniaina Harijaona. Nambarany fa ny tetibola no ahafahana mijery ny laharam-pahamehana voavalin’ny fanjakana. Ho an’ny firaisamonina sivily sy ny Unicef, mitana ny laharana voalohany ny lafiny sosialy, toy ny fanabeazana, ny fahasalaman’ny ankizy… Ilaina ny fangaraharan’ny tetibola sy ny sora-bola voasoratra hitarafana na mamaly ny filàna tokoa na tsia.
Misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny ankizy ny toe-bola ampiasain’ny fanjakana, indrindra ny lafiny sosialy, ka nahatonga ny Unicef nanohana ny fanaraha-maso ny fanadihadiana. “Mandrisika ny olom-pirenena handoa hetra sy mampazoto ny mpiray ombon’antoka mpamatsy vola ireo fandaharanasa mifandraika amin’ny ankizy, ny fahafantarana ny fampiasana ny volam-bahoaka amin’ny ankapobeny”, hoy ny solontenan’ny Unicef, Christine Jaulmes. Valo ny antontan-kevitra momba ny tetibola hanaovana fanadihadiana sy fanombanana. Nivoitra tamin’ny fanadihadiana fa tsy ampy ny fahalalana zarain’ny fanjakana amin’ny tranonkala ofisialy momba ny tetibola ahafahan’ny olom-pirenena miady hevitra amin’ny fanatanterahana ny tetibola.

Vonjy

Partager sur: