Fitantanana ny Antenimierampirenena: mila fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny antoko TGV

Tsy manda ny fiaraha-miasa amin’ny ankolafin-kery hafa ny antokon’ny fitondrana na ny TGV. Tsy mijanona amin’ny politika samy irery izany fa amin’ny fampandrosoana ankapobeny koa.

“Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ ny faritra Analamanga, Rasoa­maromaka Hery, teny Ambohi­dahy, afakomaly, ny amin’ny fijoroan’ny vondrona parlemantera tsy miankina hoe ha­nohana ny fitondrana. Ny mpa­nohitra ao amin’ny vondrona Firaisankina aza mian­tso hoe vonona hiara-miasa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Izay no tena ilaina. Tsy hoe andao hi­ara-mi­asa hanao politika, fa andao hiara-miasa hanao politika fampandrosoana. Isao­rana ary raisina an-tanan-droa izy ireo. Zava-dehibe izay fiaraha-miasa izay. Tsy vitan’ny olona irery i Madagasikara, mila olona tia tanindrazana koa. Inona ny ho fampandrosoana hisy any amin’ny distrika misy an’ireo depiote tsy mi­ankina, raha tsy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana izy na hanohitra ny fitondram-panjakana?
Na izany aza, manana ny maro anisa ny vovonana Irmar, izay nahazo toerana 84. Izy no manolotra ny anarana amin’izay hanendren’ny filohan’ny Repoblika izay ho Praiminisitra. Misy ny fahamarinan-toerana politika eto amin’ny firenena amin’izay fanohanana ny filoha Rajoelina izay. Ilaina hatrany ny fiaraha-miasa, fa tsy hifandanja ny hery: ny depiote Firaisankina 22 ve hifandanja amin’ny Irmar 84? Mbola misy an’ireo depiote 45 aza. Na izany aza, ilaina ny fanakianana sy izay mety ho soso-kevitra avy amin-dry zareo. “Ny antsika mandroso hatrany miaraka amin’ny filoha Rajoelina”, hoy izy. Izay ilay hoe Madaga­sikara tsy maintsy mandroso. Izay no tanjona, tsy anavahana ny olona rehetra.

R. Nd.

Partager sur: